sl pt nl mg ja it fr_tu fr es en de ca br
- www.camping-granelle-dordogne.com - 00.accueil

Miarahaba ny mpiala voly,



Mialohan’ny anohizanao ny famakiana ity tranonkala ity, dia mamela ahy ampahalala anao fa tranonkala ho an’ny daholobe izy ity ka dia tsy azo ifohana sigara, misaotra e ;-))
 
Ialana tsiny mialoha raha toa ka tsy ho hitanao amin’ny teny Malagasy avokoa ny pejy rehetra, mpiala voly toa anao tsara sitra-po no nandika azy ireo ary nana izay hefany.
Ianao koa anefa raha toa ka te handray anjara amin’izany fandikana pejy izany dia raisina am-pitiavana tokoa na dia pejy iray ary satria ny erikerika hono mahatondradrano. !
Mahafaly tokoa izany fandraisanao anjara izany ka dia misaotra anao dieny mialoha ary tsindrio eto  
 

Manao ahoana e
Tonga soa eto amin’ny lohasahan’ny Homosapien

 Manakory !
Manao ahoana e ! Izaho no Jean Claude, ary ianao ?

Inona indray zao ny hadalana ho ataony androany ?
Manao ahoana, izaho koa no Boy, miaro sy miambina ny tanana sy ny tompoko !

 
 

Mitady toeram-pialambolim-pianankaviana ary tsy matik’ambo ve ianao ?

Tena toerana natao hialam-boly ara-bakiteny, izay mbola azonao iainana ny trano atsimo sy avaratra, mifanome tanana manangana ny trano lay ho an’ireo mpiala voly vao tonga, toe-tsaina tena faly toy ireny fetim-pokonolona ireny ?
 
Fintinitsika hoe toerana misy itoerana tsara satria mbola tsy sesik’ireny tranofiara mandehandeha ireny!
 
 

 Ndao ary!
Vonona ianao amin’ny fitsidihana ?

Roso ary ny dia ry mpitsangatsangana,
miakara amin’ity lamasinina keliko ity, entiko mitsangatsangana ianao hitsidika ity tanana ity.
Tsy aiza tsy akory fa eto Dordogne ianao, faritanin’ny Aquitaine, anivon’ny Périgord noir.

 
 

JPG - 3.3 ko
Misy wifi daholo ny toeran’ny tranolay rehetra

JPG - 124.2 ko
bienvenue aux chèques vacances

 
 

 Tianao io sary io ? tsindrio ary ilay logo ambanin’ilay menu menamena
Torapasiky ny tanana

Eto ianao dia tena maka aina tokoa, ambanin’ny alokaloka,
Miala voly eny amin’ny torapasika izay ahafahanao mandeha eny amin’ny Veyzère avy hatrany.
Afaka mandehandeha amin’ny lakana.
Milomano tsy misy ahiahy .
JPG - 36.1 ko
Toa izao ny fahatongavan’ny lakana eo amin’ny torapasika

 

Tsindrio eto raha tianao hojerena amin’ny pejy lehibe ny torapasika

 
 

Aza mihaino ny vavan’ny mpanjono e !
Mahazo iray toy ity aho isan’andro!

Manjono lalitra e !
Miady mafy ery Richard manjono

tongava hanao jono mahagaga ao Veyzère
sady manararaotra ny toeram-pilomanosana sy ny gorisagorisa
 tsy azo atao ny mandetika ny mpilalao ankilany a !
kilalao Waterpolo entanin’I Greg !

 
 
Azonao atao koa ny mandray anjara amin’ireo fialam-boly sy fihetsiketsehana isan-karazany, aza manahy fa tsy hanelingelina anao amin’ny fialantsasatrao na dia kely ary ny horakorak’izany hetsika rehetra izany.
 
Manankarena karazan-tsakafo sy fahaiza-mahandro koa ity faritra ity, ao koa ny lagraoty, ny chateau sy ny fahatsiarovana ny Cro-Magnon.
Aza adino koa ny « Aquarium du Bugue » sy ilay tanana manan-daza « Bournat ».
 
Ny kilonga dia azonao avela ao amin’ny tanana fialam-boly tsy misy ahiahy,
mba ahafahanareo roa mitsangatsangana sy mankafia ireo toerana manan-tantara eto Dordogne.
Tsy alahelo izy tsy akory.
 
Vao mainka ary izy hiala voly tsara miaraka amin’ireo mpampilalao rehetra sy mpanomana hetsika ary ireo namany.
 
 
Manolora ho azy sy ho anao fialan-tsasatra mahafinaritr, ho tsiahivina foana aty amin’ny Périgord tsara tarehy amin’ny vidiny mirary
(jereo ny fihenam-bidy herinandro maimaim-poana)
 
Izahay rehetra mandray anao dia mampanantena fialam-boly mahafinaritra anao.
 
 

10 km/h rehefa ato an-tanana  grm&§#mlgngn#!
Mandehana mora fa misy ankizy ô !

Falifaly lalandava ianao aty.
Noho izany ny kamo, mpila vaniny tsy mahazo mankaty.
Toy izany koa ireo te ho lasa Schumacher, ka aty amin’ny tanana fialam-boly aty no misetrasetra….
…. Tsy mandray olona manana ireo toetra ireo izahay.
 Tsy mahazo ahy ireo e !
’zao ary ahom bola milamina an !

 
 

Joe Dalton
aiza izy telo lahy teo e ?

Mandram-pihaona aty amin’ity tanana tsara tarehy Dordogne ity ary e !
 
Jean-Claude
Caza, Michel et Jack
izy telo lahy mavitrika ireo dia mankaty amin’ny « camping la Granelle » foana isan-taona ka nankalaza ny faha-30 taona niverenany tato tamin’ny jolay 2006!

GIF - 3.1 ko
Eto raha te hijery ny tranokalan'ny informatisianina malagasy ianao

 

Mets ce site de camping dans tes favoris


publication lundi 3 décembre 2007.
Répondre à cet article